boky fampahafantarana ankapobeny ny tetik`asa

Fizahan-takelaka
BOKY FAMPAHAFANTARANA
ANKAPOBENY NY TETIK’ASA
I.
TETIK’ASA ANKAPOBENY ..................................................................... 1
II.
MASOMBOLY SY ZANA-KAZO ARY FITAOVANA.................................. 5
III.
FANOFANANA .................................................................................. 8
IV.
FOTO-DRAFITR’ASA.......................................................................... 8
V.
VITRINE na FITARATRA ........................................................................ 9
VI.
FANAJARIANA NY RANO................................................................ 10
VII.
FIFANINANANA .............................................................................. 11
Telefaonina teknisiana:



Fanilo – FKT Ambohitrakely : 032 05 02236
Judicael – Ampahitrizina
: 032 05 02237
Dola – Avaratrambolo
: 032 05 02238
Febroary 2015
Version 1.1
Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
2
I.
TETIK’ASA ANKAPOBENY

Ny olona mahazo tombontsoa : ny olona rehetra tsy ankanavaka
ao anatin’ny sahandriaka voatondro.

Sahandriaka iasan’ny tetik’asa:
 Fokontany Avaratrambolo
 Fokontany Ambohitrkely
 Fokontany Ampahitrizina
Tanjon’ny tetik’asa
 Fikajina ny tontolo iainana
 Fanatsarana ny fambolena efa misy
 Fanitarana ny tany rehetra azo ambolena
 Fanajarina ny rano sy ny tany
 Fampitomboana ny vokatra (mahazatra sy ny
vaovao)
 Fahavitàn-tena ara-tsakafo
 Fanitaram-pahalalàna ho an’ny rehetra
 Fanatsarana ny lalam-barotra

Faharetan’ny tetikasa : 2 taona. Mifarana amin’ny @septambra
2016 ny tetik’asa « Ndao hivoatra ».
Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
1
 Fanatsarana ny faripiainan’ny tsirairay ao anatin’ny
sahandriaka
Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
2

Tosika ataon’ny tetik’asa
Fanampiana
Fizarana
amin’ny
masomboly,
fitantanana ny
zana-kazo ary
rano sy ny
fitaovana
fanatsarana ny
fambolena
Fanofanana :
teknikampambolena
manarapenitra,
fomba
fitantanana
Fanamorana ny
maharitra
fitadiavana
lalam-barotra
Fananganana trano
fitehirizam-bokatra
sy fanovozampahalalàna ho
an’ny daholobe
isam-pokontany
Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
3
Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
4
II.
MASOMBOLY SY ZANA-KAZO ARY FITAOVANA

MASOMBOLY
Toy izao ny fomba fiaraha-miasa @ teknisiana :
 Miasa ny tany ny tantsaha
 Mijery ny tany voaasa ny teknisiana
 Manolotra ny masomboly sy ny teknika izay ilaina sahaza ny
tany voaasa ny teknisiana
 Mamboly ny tantsaha
 Mifanakalo hevitra ny teknisiana sy ny tantsaha mba
hahatsara ny vokatra

ZANA-KAZO
Toy izao ny fomba fiaraha-miasa @ teknisiana :
 Manao lavaka ny tantsaha
 Mijery ny lavaka vita ny teknisiana
 Manolotra ny zana-kazo sy ny teknika izay ilaina sahaza ny
lavaka vita ny teknisiana
 Mamboly ny tantsaha
 Mifanakalo hevitra ny teknisiana sy ny tantsaha mba
hahatsara ny vokatra
Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
5
Fanamarihana:

Maimaimpoana ny fanomezana ny masomboly sy ny zana-kazo safidin’ny
mpamboly

Tsy maintsy ampiasaina araka ny tokony ho izy ny masomboly sy ny zana-kazo
izay atolotra hiasana
Ny vokatra rehetra dia ho any mpamboly madiodio
Tsy azo atao ny mivarotra sy mihinana ny masomboly


Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
6

Ho fitsinjovana ny fotoam-pambolena manaraka dia tehirizina ao
@tranom-bokatra iombonana ny masomboly izay nalaina rehefa miakatra
ny vokatra
III.
FANOFANANA

Hisy fiofanana in-1 na in-2 isam-bolana

Ny fanofanana rehetra dia miainga avy amin’ny hetahetan’ny tantsaha
(teknika isan-karazany momba ny fambolena, ny zezika, …)
1 - Maka masomboly
2 - Mamboly
4 - Mamerina
3 – Mamokatra
sy mivarotra

FITAOVANA
Ho vatsiana fitaovam-pambolena madinika ny vondrona efa misy na
ny vao hatsangan’ny tantsaha araka izay fahafaha-manaon’ ny
tetik’asa. Hapetraka ny fomba fiasa matipaika eo amin’ny fitantanana
ny fitaovana.
IV.

FOTO-DRAFITR’ASA
Trano fitehirizam-bokatra :
Hanorina trano lehibe iray ny tetik’asa ho an’ny fokonolona, isaky ny
Fokontany, ho fitehirizam-bokatra sy ny masomboly ampiasaina amin’ny
fotoam-pambolena manaraka.
 Trano fanovozam-pahalalana:
Hanorina trano lehibe iray ho an’ny fokonolona, isaky ny
Fokontany, atao fanovozam-pahalalàna, asiana boky sy fitaovantserasera momba ny fambolena (video, peta-drindrina,…)
Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
7
Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
8


Vitrine mifantoka amin’ny fambolen-kazo sy tontolo
iainana
Vitrine mifantoka amin’ny fanatsarana ny vokatra
 Trano hipetrahan’ny teknisianina:
Hanorina trano iray isaky ny Fokontany hipetrahan’ireo
teknisianina mandritra ny fotoanan’ny tetik’asa (2 taona)
V.
VITRINE na FITARATRA
VI.
 Ny vitrine dia toerana iray anehona ireo teknika manara-penitra
samihafa amin’ny tantsaha. Hita ao anatin’izany ny fomba
fambolena mahomby mahakasika ny karazam-boly efa misy eo antoerana sy ny vaovao izay ho atao, ny fanajariana ny tany sy ny
rano ary ny tontolo iainana.
 Misy karazany telo ny “vitrine”:
 Vitrine mifantoka amin’ny fitantanan-drano
Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
9
FANAJARIANA NY RANO
 Asiana tatatra ny tehezan-tendrombohitra rehetra mba
hanangonana ny ranon’orana sy atao aro riaka.
 Asiana dobo lehibe ny tehezan-tendrombohitra rehetra mba
itehirizana ireo rano voaangona amin’ny tatatra ahafahana
mampitombo ny faharetan’ny fisian’ny rano ambolena sy
amelomana ny loharano rehetra.
 Hisy fiaraha-miasa apetraka miaraka amin’nytantsaha mahakasika
ny fanatanterahana ireo rehetra ireo.
Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
10
VII.
FIFANINANANA
 Hisy fifaninanana masina isaky ny telo volana momban’ny ezaka
ataon’ny tsirairay amin’ny fambolena izay ataony.
 Loka 2 isaky ny Fokontany no hozaraina :
o
iray ho an’ny vondrona
o
iray ho an’olon-tsotra.
Olon-tsotra
Vondrona
Telefaonina teknisiana



Fanilo – FKT Ambohitrakely : 032 05 02236
Judicael – Ampahitrizina
: 032 05 02237
Dola – Avaratrambolo
: 032 05 02238
Tetik’asa « Ndao hivoatra » 2014 - 2016
11