SAMPANA SEKOLY ALAHADY / TAMBATRA RAKITRA SY ADIDY SAMIHAFA p) 19/06 Rakitra I Rakitra II (RAI) Adidy FISAORANA “Ray o ! Misaotra Anao aho” Jao. 11, 34 958 000 Tahiry AFF Rakitra III (AFF) 1 000 000 294 300 Fitambarany rehetra 2 252 300 MOFON’AINA Tanteraka soa aman-tsara ny fotoampanokafana ny faha-20 Taonan’ny “TAMBATRA”, ka ankasitrahana feno ny fiangonana manontolo tarihin’ny Mpitandrina mivady, sy ireo raiamandreny, sy ny Sampana Vokovoko Manga, ary ny mpiara-miasa rehetra. Homba sy hitahy antsika hatrany anie Andriamanitra. Teny hovakìana Daty 1 Sam. 2, 4-10; Mat. 17, 14-20; Apo. 3, 14-22 Asa. 7, 23-29 Mat. 17, 14-20 Sal. 74, 18-23 Apo. 3, 14-22 Nom. 4, 1-3 Mar. 5, 18-20 Eks. 3, 7-14; Mat. 10, 1-10; Asa. 13, 1-5 Jao. 12, 4-11 Mat. 10, 1-10 Apo. 10, 8-11 TENY FIAINANA: SAMPANA MPANAZAVA SY TILY FISAORANA Fifaliana ho an’ny Sampana Mpanazava sy Tily ny maneho fisaorana sy fankantelemana ny mpianakavin’ny Finoana rehetra, tamin’ny nahavitan’ny hetsika « TSARA KETRIKA 2016 », izay nokarakarain’ny Sampana, ny Sabotsy 18 Jona, lasa teo. Mankasitraka ny fanotronan’ireo Sampana velona rahavavy ny SAMPATI. Fisaorana manokana ho an’ny Biraom-piangonana izay tarihin’ny Ray aman-dReny Mpitandrina. Fisaorana indrindra ho an’ireo izay nanolo-tànana sy nitrotro am-bavaka ny hetsika; hery lehibe ho anay tokoa ny hanananay anareo. Andriamanitra manankarem-pahasoavana anie hamaly fitia anareo. FIHIRANA SVM: 122 “Jehovah no mampalahelo sy mampanankarena; Izy no mampietry sy mampisandratra.” 1 Sam. 2, 7 2- Ny Tompo be fiantra, mangora-po tokoa Mahita anao mahantra, fa tsy mahita soa Natolony ny ainy, ho vidin’ny ainao Nalatsany ny rany, mba hanadio anao FANOMPOAMPIVAVAHANA FANDRAISANA VOLANA JOLAY 2016 ALAHADIN’NY LOHOLONA SY DIAKONA Toy ny mahazatra isan-taona dia miditra indray mandeha ihany ny Fiangonana, amin’ny 03 Jolay 2016 (Fandraisana), manomboka amin’ny 9 ora. Hisy Fanokanana Diakona amin’io Alahady io. Nanonta: [email protected] Isan’ny natonta: 500 TAKELA-PIFANDRAISANA avoakan’ny Vaomieran’ny Fifandraisana sy Asa sosialy “NY FANANTENANA NO NAMONJENA NY MINO” ALAHADY, faha- 26 JONA 2016 « MANAFAKA AMIN’NY FAHANTRANA NY ASAN’NY TOMPO » HAFATRA AVY AMIN’NY SAMPANA VOKOVOKO MANGA FJKM “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” (Mat. 4, 4) 26/06 27/06 28/06 29/06 30/06 01/07 02/07 03/07 04/07 05/07 06/07 TRANOVATO AMBATONAKANGA ~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~ 285 600 248 400 424 000 Fitambarany FIANGONAN’I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA Fandraharahana : Mpitandrina : 22 222 75 - 033 11 738 12 – 032 93 669 46 22 240 50 // 032 07 611 15 // 033 02 240 50 [email protected] Ry havana mlalala, “Ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin’Andrimanitra Ray sy Jesoa Kristy, Zanaky ny Ray, amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana.” (II Jao. 3). Misaotra an’Andriamanitra isika fa vita soa aman-tsara ny fanavaozana tompon’andraikitra tamin’ny isan’ambaratongandrafitra (Fitandremana, Synodamparitany, Foibe) tamin’ny Sampana rehetra, ary tao anatin’izany ny Sampana Vokovoko Manga. Miarahaba ireo efa niasa teo aloha ary mbola voafidy indray. Ny teny faneva mibaiko ny asantsika mandritra ny 4 Taona indray, dia ny hoe: “Ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria” (Daniela 12: 3b). Ezaka hataontsika Sampana Vokovoko Manga ny hamerina ny maro ho amin’ilay endrik’Andriamanitra sy hahatonga ny olona rehetra ho tempolin’Andriamanitra; ka ezahana ny hamokatra ireto fitaovana ireto: horonantsary fitaizana, Fihirana Vokovoko Manga, Raki-kira Vokovoko Manga, Ivotoerana fihainoana (centre d’écoute) isaky ny SP, trakta sy dépliant. Afaka mamokatra ireny koa ny Fitandremana araka ny fahafaha-manao eo am-pelantananareo. Ezaka nataon’ny Sampana Vokovoko Manga Foibe hatramin’izay ny namatsy ireo Komity Foibe, hahazoany manofana ny tompon’andraikitra isan-tSynodamparitany sy isam-pitandremana. Tohizana hatrany izany mba hahatonga antsika Sampana Vokovoko Manga ho Sampana mandroso tokoa. Efa natomboka ary mbola tohizana hatrany ny fananganana ireo Rantsana Manokana efatra (Rantsana Ray aman-dreny, Rantsana Vehivavy, Rantsana Mpamily, Rantsana Fanantenana) any amin’ny Synodamparitany rehetra ny ny Fitandremana. Entanina izay Fitandremana tsy mbola nanangana izany, mba handefa Mpiandraikitra hiofana, ka hanangana Rantsana ao aminy. Efa noezahana ny nanangana Ivotoeram-piofanana Mpiandraikitra isaky ny Synodamparitany hanatrarana ny tanjona. Misaotra ireo Fitandremana nandrotsaka Rakitra Alahady Manga tamin’ny taona 2015. Ampiarahanay amin’ity Fandaharana ity ny anaran’ireo Fitandremana nanao izany, izay nofaranana ny 31 Martsa 2016. Antenainay fa ho betsaka ny Fitandremana handrotsaka Rakitra Alahady Manga 2016, hahazoa-mamita ireo asa tian-kotratrarina. Mampahery antsika rehetra amin’izao “Alahady Manga” izao. Natao alohan’ny Fetim-pirenena izy ity, hampahatsiahiavana ny Malagasy fa azo atao tsara ny mankalaza fety tsy misy zava-mahamamo sy zava-mahadomelina. Ny fety iarahan’ny rehetra sy ny sakafom-pifaliana mety amin’ny olona rehetra no tena lafatra indrindra hankalazana ny Fetim-pirenena. Ampahatsiahivina ny Malagasy rehetra hoe: “Fa efa nantsoina ho amin’ny fahafahana ianareo ry rahalahy. kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany” (Gal. 5: 13). Ho tandrovina mandrakariva ny maha tempolin’Andriamanitra ny tenantsika. Ireto avy ireo Tompon’andraikitra voafidy tany amin’ny Zaikaben’ny S.V.M natao tany Moramanga ny 28-30 Aogositra 2015: Atoa RANAIVOARISOA Tiarison, Mpitandrina (Filoha) – Atoa RAKOTOVOLOLONA Elanirina Falivahiny, Mpitandrina (Filoha Mpanampy) – Atoa RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri (Filoha Mpanampy) – Rtoa ANDRIAMIHAINGO Josseline (Mpitantsoratry ny Rakitsoratra) – Rtoa RAVELOSOA Lanto (Mpitantsoratry ny vola) – Rtoa ANDRIANARIMISA Voahanginirina (Mpitahiry vola) – Atoa RASOLOFOMANDIMBY Mamisoa Olivier, Mpitandrina (Mpanolotsaina) – Atoa RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry, Mpitandrina (Tonia) – Atoa ANDRIAMANAMPISOA Hermane Gideona, Mpitandrina – Atoa RANAIVOARISON Céléstin – Atoa ANDRINAMPANOMEZANA, Mpitandrina (Mpadinibola) “Farany, mahereza ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany. Tafio avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ny fanangolen’ny devoly.” (Efe. 6: 10-11). Ho aminareo anie ny Tompo! Ny Filoha RANAIVOARISOA Tiarison, Mpitandrina Ny Tonia RAKOTOMANANA Herintsoa Tahiry, Mpitandrina ALAHADY, faha-26 JONA 2016 ALAHADIN’NY SAMPANA VOKOVOKOMANGA AMBATONAKANGA DINIDINI-DRAHARAHA FINOANA SY ASA “MANAFAKA AMIN’NY FAHANTRANA NY ASAN’NY TOMPO” LITORJIA FIDERANA SY FANOMEZAM-BONINAHITRA AN’ANDRIAMANITRA Mpitarika: “ Jehovah no mahafaty sy mahavelona; Izy no mampidina ho any amin’ny fiainantsi-hita ary mampitsangana.” Besinimaro: “Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin’ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin’ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin’ny mpanapaka, ka hampandova azy ny sezam-boninahitra.”(1 Sam. 2, 6.8) Iarahana: “Fa an’i Jehovah ny andrin’ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao. Amena.” ♫ HIRA: 8 - VAVAKA FIDERANA Fiatoana kely : Feon-javamaneno FOTOANA HO AN’NY ANKIZY LITORJIAN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA ♫ HIRA: 122 and. 2 (Fihirana SVM) VAVAKA HO AMIN’NY FANAZAVAN’NY FANAHY MASINA FAMAKÌNA NY SORATRA MASINA: 1 Sam. 2, 4-10; Mat. 17, 14-20; Apo. 3, 14-22 ♫ HIRA : 334 and. 1 TORITENY Hiran’ny ORIMBATO LITORJIAN’NY ASA VAVAKA FANGATAHANA TENY SOA MAHAFALY FAMELAN-KELOKA (Rom. 6, 22 ; Lio. 19, 10; Sal. 32, 1s) Mpitarika: Hoy ny tenin’ny Tompo: “Ankehitriny, rehefa natao afaka tamin’ny ota ianareo, ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana, ary farany, dia fiainana mandrakizay. Fa efa tonga ny Zanak’ Olona hitady sy hamonjy ny very. Voavela ny helokareo noho ny anarany masina. Mifalia sy miravoravoa, ka mankalazà an’Andriamanitra. Mandehana ka aza manota intsony.” Besinimaro: “Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotàny. Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. Amena.” FANEKEMPINOANA APOSTOLIKA FILAZANA NY RAHARAHAM-PIANGONANA RAKITRA : I (Fiangonana); II (SVM A/kanga); III (Tsangambato): ♫ HIRA : 734 VAVAKA FANOLORANA ASA VAVOLOMBELONA: BATISA: ♫ HIRA: 246 and. 1, 4 LITORJIA FAMARANANA ♫ HIRA: 512 and. 4 TSODRANO ♫ HIRA: 449 and. 2 “Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena” ~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~~ --- ANKATOKY NY FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO --- SAMPANA SEKOLY ALAHADY Mampahafantatra antsika ny Sampana Sekoly Alahady Ho an'ny fiangonana, ray aman-dreny sy ny mpianatra fa ny: - Alahady 10 jolay 2016: no tanterahina ny fanadinana famaranana ny taom-pianarana @ ity taona ity (fanadinana iombonana sy ny anatiny) - Alahady faha-26 Jona 2016: aorian'ny fanompoam-pivavahana maraina (izay hanomboka @ 7ora maraina) ny fianarana Sekoly Alahady ho an'ny kilasy rehetra, EZAKA. EZAKA. AMBOHIMANJAKA : J- 49 Diakona tompon’anjara volana JONA Faritra FAHAROA Filoha :Atoa ANDRIAMBOLOLONIAINA Faly Tompon’ny fotoana Alahady 26/06: SVM AMB/KANGA 03/07: LOHOLONA SY DIAKONA 10/07: STK FJKM Anjara voninkazo 26/06: Rtoa ANNETTE Vololona sy Rtoa RABENINDRINA Vololona 03/07: Rtoa RATEFIARIVONY Sabine 10/07: Tsy mitonona anarana Mananty sy manisa ny Rakitra III 26/06: V. FANOMPOAMPIVAVAHANA 03/07: KATEKOMENA 10/07: KOM. 20è 17/07: SAMPATI
© Copyright 2025