GTV JANVIER 2012_GTV NOVEMBRE 2008.qxd.qxd

8
M I F A N G A R O
TATITRY NY FIHAONAMBE
IV TOLIARA
24 -28 Aogositra 2011 (tohiny)
Lohahevitra: SEKOLY ALAHADY MAMIRAPIRATRA AMIN’NY FINOANA
MIISITRAKA NY ZAVABOAHARIN’ANDRIAMANITRA.
DIMY MINITRA SEKOLY ALAHADY
(Tohiny)
Ahoana
ny
fitondra 5 amin’izay?
TSY
MAINTSY
MIAINGA
amin’ny
andalan-tSoratra
Masina. Ilay andalantSoratra Masina nofidinao no iaingao ary
iny tenenina mialoha
ny tantarakely.
- Lazao/ ampamakio
ilay
andalantSoratra Masina
- Hazavao tsotra dia tsotra, fa aza manao
heviteny lalina. Misintona hevi-panahy.
- Hamafisina na lokoina amin’ilay tantara
amin’izay. Izay vao atao eto ny tantara
-Tsy lazaina ny lohatenin’ilay tantara
- Miezaha mamerimberina ilay andalan-tsoratra Masina any anaty tantara.
OHATRA: “Anaka atolory ahy ny fonao…”
(Ohab 23: 26)
- Efa mba mangataka zavatra
taminareo ve i Dada sy
Ineny, rankizy?
- Andriamanitra koa dia
mba mangataka zavatra
amintsika! Inona àry no
angatahiny amintsika ?
Jereo ange ny valin’izany
ao
amin’ny
Baibolintsika e! ao
amin’ny Ohab 23: 26.
- (mitady ny toko sy
andininy ny ankizy)
- Ho an’izay nahita,
vakio hoe!...
- (…. Misy ankizy mamaky mafy)
- Andriamanitra no miteny eto. Isika no
zanany ka antsoiny hoe: “Anaka…” Ahoana
hoy Izy amintsika?
Tsy azon’i Nivo rankizy io teny io indray
andro, ary lasa saina izy rehefa avy nianatra Sekoly Alahady. Dia hoy izy tamin’ny
Dadany:
- Fa hono ho’aho ry dada, fa
FJKM Ambonin’Ampamarinana
ataon’Andriamanitra inona angaha ny fontsika fa izao ny tsianjerinay hoe: “Anaka atolory ahy ny fonao”
- Aiza ilay poketrakelinao iny, ento aty
amiko, hoy rainy.
- Fa ataon’i dada inona anefa ny poketrakeliko e?
Sady nomen’i Nivo ilay poketra, efa ratsy
sady potipotika, ary nisy vola ariary zato tao
anatiny. Nony tonga ny hariva, dia nantsoin’ny rainy i Nivo:
- Nivo a! Avia ianao,… iny ny poketranao.
- Oay, toa nosoloin’i dada
poketra
v a o v a o
tsara tarehy…
Toa
nasian’i dada
vola
arivo
ariary koa tao
anatiny,
- Eny anaka,
raha tsy natolotrao ahy iny
poketranao iny
dia sady tsy ho voasolo
vaovao no tsy nahazo vola 1 000 Ariary
ianao. Dia tahaka izany koa ny
ataon’Andriamanitra, rehefa miteny izy hoe:
atolory Ahy ny fonao, dia omeo, fa hosoloiny fo vaovao, ary asiany zavatra lehibe
tsara lavitra noho izay anananao teo aloha
ao anatiny. Raha naditra ianao dia esoriny
fa soloiny fahendrena; raha nandaingalainga ianao dia esoriny iny fa soloiny fahamarinana. Asiany zavatra hafa mihitsy ao
anatiny e! Koa rehefa
mivavaka
ianao dia atolory Azy hoe:
Indro Tompo ô,
ny foko raiso ho
anao, satria mangataka aminao Izy
hoe, anaka atolory
ahy ny fonao.
Rankizy,
ahoana
tsara
hoy
Andriamanitra amintsika?
- Inona no angatahiny
amintsika?
- (…)
- Ahoana, hoy Izy? Avereno miaraka tsara!
… Amen!
Nanao ny tatitra
RANDRIANJA Mbolatiana
Mpampianatra Sekoly Alahady FJKM
Tranovato Ambonin’Ampamarinana)
T S I M I H A T S A K A
JANOARY 2012
FIAINAMPIANGONANA (23)
6- Ny firaisana amin’i Kristy, ny finoana Azy no
tena mamelona ny Sampana, miaro azy amin’ny
asan’ny fahavalo. Izany dia velomin’ny:
• Fiainam-bavaka misy toriteny, fa tsy rehefa misy
olana vao hivavaka, «miambena ka mivavaha
mba tsy hidirana amin’ny fakam-panahy.»
• Ny fianarana Soratra Masina no fiainana mitohy
ny firaisana amin’i Jesoa. Any amin’ny
Fiangonana iray Ambohitsiroa, SP Antananarivo
Andrefana (10) misy antsika, ny Sampana tsirairay avy dia mandinika mitohy boky iray ao amin’ny Soratra Masina, ohatra: ny Sampana Tanora
Kristiana, dia mandinika mitohy amin’ny fivoriana
mahamety izany ny Epistily ho an’ny Romana,
hitantsika ato amin’ny GTV anie izany e!. Ny fifidianana ireo boky hodinihana mitohy dia miainga
amin’ny zava-kendren’ny Sampana.
• Fa zava-dehibe koa ny fampianaram-pinoana,
iorenantsika marina amin’ny finoana kristiana, fa
loza ny ataon’ny silamo sy ny jodaista mpampisaraka fiangonana sy fianakaviana izao! Tsy mino
an’i Jesoa Kristy ho Andriamanitra ireny. Misy
izay lazaina ho Sampana iray ao amin’ny
Fiangonana: Fikambanan’ny tsy ao amin’ny
Sampana, fa misy koa hono fikambanan’ny mpanakorotam-piangonana na jiolahim-piangonana.
Ny finoana kristiana mampijoro ny Fiangonana
no handresena ireny.
* Amin’ny fanatanterahana ny fiofananna samy
hafa in-1 na in-2 isan-taona no hijerena ireny
fampianarana ireny, dia ny fiofanana amin’ny
andraikitry ny birao, ny komity, ny fivoriambe.
* Tena zava-dehibe ny fitaizana sy fanabeazana
kristiana iainana ato amin’ny FJKM. Hita any
amin’ny fanapahan-kevitry ny Zaikaben’ny
Sampana ny fonjan-kevitra amin’izany (Christian
Education)
Dia misy ireo fikambanana kristiana
ara-pilazantsara izay eken’ny Fiangonana FJKM
hiara-miasa aminy. Tena misy tondro zotra arapanahy araka izany amin’ny fitaizana kristiana
FJKM. Fanampiny ihany ohatra ny fampitomboana ny fitaizam-panahy ataon’ny fikambanana
kristiana miara-miasa, fa ny fototry ny fitaizana
dia avy amin’ny FJKM sy ny Sampana valo misy
ato amin’ny FJKM. Tsy programme hafa no atao
fa raha tsy izany, tsy fiangonana FJKM intsony
isika.
Izany no ilàna ny fankatoavan’ny
Mpitandrina ny Mpitoriteny, ny mpanabe kristiana
antsoina hitondra hafatra (toriteny sy fampianarana) ato amin’ny Fiangonana: Mpitandrina,
Mpitondra, Mpanabe FJKM no tompon’andraikitra voalohany.
Tandremo àry ny fampianarana atolotra amin’ny Sampana, amin’ny Fiangonana fa
miantoka ny fiainam-panahy, hazon-damosina
hijoroana sy handehanana eo amin’ny fiainana
izany. Isan’izany ny firosoana ho amin’ny
Oecumenisme.
Ny Mpitandrina
(mbola hitohy)
ERROR: typecheck
OFFENDING COMMAND: restore
STACK:
-null-null-