fiangonan' i jesoa kristy eto madagasikara fjkm montrouge paris

FIANGONAN' I JESOA KRISTY ETO MADAGASIKARA
FJKM MONTROUGE PARIS
Association Cultuelle Loi 1905
Jumelée à la FJKM RASALAMA MARITIORA AMBOHIPOTSY,
à la FJKM AMBONINAMPAMARINANA, à la FJKM AMBATOMARO,
à la FJKM AMBOHIJAFY, à la FJKM ALASORA, à la FJKM AMBOHITANTELY,
à la FJKM AMBOHITSIMELOKA, à la FJKM AMBATOMITSANGANA FANANTENANANA,
à la FJKM AMBATOTOKANA FITIAVANA, à la FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA,
à la FJKM MANANDRIANA AVADRADRANO, à la FJKM IFALIMANJAKA FILADELFIA,
à la FJKM ANKADIMANGA MANJAKANDRIANA
SLK SYNODAMPARITANY 08 FJKM ANTSIRABE FILADELFIA
Au Temple de l'Eglise Protestante Unie (E.P.U.) - 64, rue Maurice Arnoux - 92120 Montrouge
www.fjkm-montrouge.fr
ALAHADY 11 JANOARY 2015 –15 h
FOTOTRY NY FINOANTSIKA NY TOMPO !
KRISTY VATOLAMPIN’NY FINOANA !
“ Jehovah Andriamanitray no ho tompoinay ary ny feony no hohenoinay.”( Josoa 24.24))
FEON’ORGA
VAVAKA
HIRA FANEVAN’NY SEKOLY ALAHADY !
FAMAKIANA NY SORATRA MASINA: Josoa 24.19-28;
Matio 16.13-19; 1 Korintiana 2.1-5.
Ray ô masina ô,manamasina anay amin’ny fahamarinana/
ny Teninao no fahamarinana.Amen.
HIRA : 244/1,2,4 – RY JESO MBA HENOINAO !
FIARAHABANA APOSTOLIKA :
FISAORANA SY FIDERANA: Salamo faha-90.1-2 –
Tompo ô , efa fonenanay hatramin’ny taranaka
rehetra Hianao. Fony tsy mbola ary ny
tendrombohitra, na voaforonao ny tany sy izao rehetra
izao, dia Andriamanitra Hianao hatramin’ny taloha
indrindra ka mandrakizay. “Midera Anao Aho Raiko,
Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny
/hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka
nasehonao tamin’ny zaza madinika.” Amen.
TORITENY
FEON’ORGA
HIRA - SAM
HIRA STKM
VAVAKA FISAORANA SY FANGATAHANA
HIRA: 788/1,4 – RY JESO SAKAIZAN’NY ZAZA !
HIRA FF 3/1- JESO VATO FEHIZORO !
VAVAKA
FANAMBARANA NY SITRAPON’ANDRIAMANITRA
Sambatra ny mahitsy làlana.Izay mandeha araka ny lalàn’i
Jehovah,Sambatra izay mitandrina ny tenivavolombelony
ka mitady Azy amin’ny fo rehetra.Amen.
HIRA :
210/1,5
–ZAVA-TSOA
TOKOA
NY
FITSIPIKAO !
FIAIKEN-KELOKA AMIN’ANDRIAMANITRA
HIRA : 761/1,2 – RY JESO ZOKY BE FITIA !
FAMELAN-KELOKA ATOLOTR’ANDRIAMANITRA
Sambatra ny olona izay voavela ny helony/ sy voasarona ny
fahotany/ Sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah
heloka/ ary tsy misy fitaka ny fanahiny.Amena.
HIRA : 167/3 – MIDERA NY ANARANAO !
FANEKEM-PINOANA
FANEVA FAHA-30
MIHAZAVA !
KRISTIANA
TAONA
N° 4 HIRA
–MITSAGANA
FEON’ORGA
FOTOANA HO AN’NY ANKIZY SY NY TANORA
HIRA –SAM
FILAZAN-DRAHARAHAM-PIANGONANA
RAKITRA –HIRA :746/1,2,3 –MIFALIA RY SAKAIZA !HIRA: 440/3
HIRA 808/1 – EO AN-TRATRANAO JESOSY !
TSODRANO
HIRA FF 45 – HIRA FIDERANA !
Amin’ny anaran’ ny Ray sy ny Zanaka ary
ny Fanahy Masina . Amena.
FEON’ORGA
FANEVA 30-TAONA FJKM MONTROUGE
Mitsangana Mihazavà
1. Mitsangana mihazavà
F'efa tonga ny fahazavanao
Ary ny voninahitr'i Jehovah
Indro efa miposaka aminao
FIV (x2):
Asandrato ny hira faneva
ô venteso ny hira fiderana
Noho ireo taona maro izay nomeny
Nanomezam-boninahitr'AZY
Ô derao (ankalazao)
Ny Tomponao (Jehovah)
Fa lehibe ny famindrampony
Fitahiana (sesilany)
Izay nomeny (ho anao izao)
Fahasoavana tsy lany
No nahatratraranao izao
2. Izay mety ho avinao
Dia ampelantanan'Ilay RAY
IZY (no) fanazavana anao
Anio ampitso mandrakizay
FIV (x2)
788 - Ry Jeso Sakaizan'ny
zaza (1-4)
761 - Ry Jeso, Zoky be fitia
(1-2)
1. Ry Jeso Sakaizan'ny
zaza,
Kanefa Mpanjaka
malaza,
Midera ny anaranao, re,
Izahay vory eto izao,
1. Ry Jeso, Zoky be
fitia!
Avia, mitantana
Fandrao izahay
maniasia
Avilin'i Satana
4. Ry Jeso Mpamonjy
sy Zoky!
Izay ampy tokoa mba
toky,
Mifaly ny manana Anao
izao,
Arovy ka aza mandao.
Ny saotra sy dera,
sns...
2. Maniry izahay, Jeso!
Ho zandry izay manoa,
Ka dia ampaherezonao
Ho tia Anao tokoa.
Ry Jeso ô! Tahio
izahay, sns...
Fiv : :,:Ny saotra sy
dera aman-daza
No atolotray ho Anao
210 - Zava-tsoa tokoa ny
fitsipikao (1-5)
1. Zava-tsoa tokoa ny
fitsipikao;
Tompo Andriamanitra
ô!
Teny mahasoa, aina,
hery koa
Mba ho an'izay manoa.
5. Ry Jesosy ô,
Mpampianatray!
Maminay ny teninao;
Taomy izahay, mba
hahaizanay
Hankato ny didinao
Iravoanay sns...
Fiv :
(Feo voalohany)
Iravoanay
Fa harena be
(Feo faharoa)
Soa tsy manampaharoa
Ny fitsipikao
Iravoanay fa harena
be
Sarobidy tsy hafoy
Izany didinao
(Feo rehetra)
Famonjena ho an'izay
mandre
Fiv : Ry Jeso ô! Tahio
izahay,
Fa mbola kely saina
He! Tsy mba hendry,
tsy mahay,
Ka mora ambakaina.
167 - Midera ny Anaranao (3)
3. Endrey! Ny
fitiavanao
Endrey! Ny herinao,
Tra-pamonjena izahay,
Ka haja, saotra, hery
Mba raiso ho Anao.
746 - Mifalia, ry sakaiza! (1-23)
1. Mifalia, ry sakaiza!
Fa nahazo taombaovao,
Zanahary no mitaiza,
Ka isaory sy hajao.
Mihirà sy mihobia,
Jeso Tompo no derao,
Miravoa, mifalia,
Velona aina hianao,
2. Izao no andro
mampifaly,
Andro lehibe anio,
Dia hira mahafaly
No hatao ankehitrio;
Zanahary no mitàna,
Mifalia hianao;
Tonon-kira hoe:
Hosana!
No hatao aty izao.
Mifalia, sns...
3. He, Hosana, he!
Hosana,
Ho Anao, ry Tompo ô!
Fihirana, fiderana
No asandratray izao;
Dera, saotra, hery,
laza,
Ho Anao,
Mpanjakanay,
Ho Anao anie ny haja,
Raiso ho Anao izao.
Mifalia, sns...
Fiv : Mifalia, ry
sakaiza!
Fa nahazo taombaovao,
Zanahary no mitaiza,
Ka isaory sy hajao.
No 'lay vato tsy
mifindra
Jeso Tompo irery
No ' lay fehizoro
indrindra.
440 - Ry Kristy ô,
Mpanjakako! (3)
1. Hira fiderana ho
Anao ry Ray
Tsy afaka ato ambavako mandrakizay
Hira mampifaly,
mampitony jaly
Mampiravoravo fo
Ny talenta izay efa
nomenao ahy
Hiderako Anao n'aiza
misy ahy
Mba hamelon'aina,
hampitony saina
Hampiray ny miaina
FF 45 - Hira fiderana
3. Ny tongotro, ny
tanako,
Hiasa ho Anao;
ny androko, ny volako,
Omeko ho Anao.
808 - Eo an-tratranao Jesosy
(1)
1. Eo an-tratranao
Jesosy
Dia mahafinaritra;
Fa ny hafa mampahory
Ka tsy mahasambatra.
Raha Hianao no aro
Afaka ny tahotro,
Raiso ho Anao ny foko
Ry Jesosy tia ô.
244 - Ry Jeso! Mba
henoinao (1-2-4)
1. Ry Jeso! Mba
henoinao
Ny feonay
mpanomponao,
Izay mivavaka aminao
Mitady fitahiana.
2. Vokiso ny
fanahinay,
Ny teninao no haninay,
Hahaizanay
mamahana
Ny reraka ao andalana.
4. Omeo fo mazoto re!
Tolory fahendrena be;
Tarihonao ny hevitray;
Tendreo koa ny
molotray.
FF 3 - Jeso Vato fehizoro
1. Jeso vato fehizoro
Afa- tahotra ny fo
Raha Ianao no
mampijoro
Sy iankinana tokoa.
Vato fiorenanay
Jeso Zanaky ny Avo
Vato fialofanay
Amin- dratsy te
handavo.
Fiv : Vato azo itokiana
Sady tsy mba mivena
Afaka ny fahoriana
Raha ianao no ekena.
Jesoa Tompo irery
Hira tsotra ihany, nefa
na dia izany
Ho Anao tokoa no
hikaloako
Raiso re, ry Tompo,
F'io no porofompitiavako Anao
2. Hira fiderana ho
Anao ry Ray
Tsy afaka ato ambavako mandrakizay
Hira mampifaly,
mampitony jaly
Mampiravoravo fo
Ny talenta izay efa
nomenao ahy
Hiderako Anao n'aiza
misy ahy
Mba hamelon'aina,
hampitony saina
Hampiray ny miaina
Hira avy ato am-poko,
indro fa vetsoiko
Ho Anao ry Raiko izay
antsoiko
Hira tena mamy,
manambara hatrany
Fa tena tiako Ianao