Annonces - FPMA Strasbourg

Raharaham-piangonana 22 Marsa 2015
Mbola hohampitomboina amintsika ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra
Tompontsika. Faly miarahaba antsika rehetra indray amin’izao herinandro izao. Toy izao ary ny
raharaham-piangonantsika :
1°) Vita soa aman-tsara tamin’ny Asabotsy sy Alahady lasa teo ny “retraite” izay niarahan’ny
Katekomena sy ny Mpitandrina Desiré Andrianarivo ka misaotra ny Tompo isika noho izany. Izy
anie hanampy azy ireo amin’izao fiofanana ara-pinoana arahin’izy ireo izao.
2°) Mitohy tsy tapaka ny fanompoam-pivavahana eto amin’ny Fiangonantsika koa ny Diakona
tompon’anjara amin’ny Alahady 29 Marsa ho avy izao dia Ramatoa sy Andriamatoa isany Mamy
Andriamandroso, Andrianina Ramasomanana ary Hélian Randrianarisoa.
Aza adino fa miova ny ora amin’ny Alahady ho avy izao (miroso adiny iray) ka sao diso fotoana
ianao amin’ny fanompoam-pivavahantsika.
3°) Ny fanadiovana ny Fiangonana manaraka dia amin’ny Asabotsy 28 Marsa manomboka
amin’ny 2 ora sy fahefany ary ny Diakona tompon’anjara amin’izany dia Ramatoa sy
Andriamatoa isany Mamy Andriamandroso, Jean Aimé Rakotomanga ary Fanilo Ramasomanana.
4°) Paska 2015:
Ny fanompoam-pivavahana amin’ny Paska dia tanterahina eto amin’ny Fiangonana Ste Elisabeth
toy ny mahazatra manomboka amin’ny 11 ora sy fahefany. Ny mpitandrina Desiré Andrianarivo
no hitarika ny fotoana ary hisy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Ny Diakona tompondraharaha amin’ny fandraisana dia Ramatoa sy Andriamatoa isany Antsa Rabemanantsoa, Pierrot
Rabemanantsoa ary Hery Rasamimanana.
5°) Batisa:
Ny ray aman-dreny RAVONINDROA Sophie sy Clément dia manolotra ny zanany
RAVONINDROA Ethan ho atao batisa amin'ny alahadin’ny Paska 5 Aprily 2015.
Koa aoka isika samy hitrotro am-bavaka ny fianakaviana izay manolotra ny zanany ho isan’ny
mpiangona eto amin’ny fiangonantsika.
6°) Fetim-piangonana:
Efa vonona ny tapak’ila amin’ny Fetim-piangonantsika amin’ny 11 Aprily koa afaka manantona
ny Diakona ianao raha hividy izany. Hampatsiahivina fa 10 euros ny vidiny ho an’ny olon-dehibe
ary 5 euros kosa ho an’ny mpianatra sy ny ankizy.
7°) Décibulles:
Comme tous les ans, les jeunes de notre Eglise sont sollicités par le Comité d’organisation du
festival « Décibulles ». Leur responsable nous demande si les jeunes sont toujours intéressés et
dans l’affirmative, il est nécessaire de prendre contact avec Tahina Ravoavy ([email protected])
ou avec Jocelyn Rakotomalala ([email protected]).
Toy izay ary ny raharaham-piangonantsika koa mirary herinandro finaritra ho antsika rehetra.
Ny mpitan-tsoratra
Fanilo Ramasomanana